4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol1. mandrakizay - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

« Trano sy harena no lova avy amin’ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’i Jehovah. »

(Ohabolana 19:14)



---------------------------------------------------------------------



1. Isaorako Ilay Nahary ahy

Tompo tia, tsy mba nanary ahy

Satria ianao, Aina soa, Silaky ny fo

Ianao niriko, tena tiako, natolony ahy

Hotiaviko mandrakizay

Fa Fanomezan’Ilay Ray





KA NA HO SAROTRA AZA NY ANDRONAY ETY

MATOKY ANAO RY RAY MPITANTANA NY DIA

SATRIA IZAY FITIAVANA MIORINA EO AMINAO

MAHARITRA MANDRAKIZAY





2. Raha ho avy indray fitsapana mahamay

Handalo koa Sedra sy fakam-panahy

Sahiko ny hanambara : Tokana ny fo

Ka tsy hozaraiko, fa iray, dia ho anao

Hotiaviko mandrakizay

Fa fanomezan’Ilay Ray





KA NA HO SAROTRA AZA NY ANDRONAY ETY

MATOKY ANAO RY RAY MPITANTANA NY DIA

SATRIA IZAY FITIAVANA MIORINA EO AMINAO

MAHARITRA MANDRAKIZAY



KA NA HO SAROTRA AZA NY ANDRONAY ETY

MATOKY ANAO RY RAY MPITANTANA NY DIA

SATRIA NY ANAY FITIAVANA NAORINA TEO AMINAO

HAHARITRA MANDRAKIZAY



MANDRAKIZAY





Tonony sy feony : RAKOTONANAHARY Haritiana

Fev 2003

Partager vol1. mandrakizay

Commenter vol1. mandrakizay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite